Maherin’ny 140 000 ireo tsy mbola tafiditra anaty lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ataon’ny Ceni izao, any amin’ny faritra Diana. Nambaran’ny filohan’ity rafitra misahana ny fikarakarana ny fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène fa tsy maintsy hanaovana ezaka ny fampidirana azy ireo anaty lisitra. “Manan-jo hifidy izy ireo ka anentanana antsika izany satria hita tamin’ny famaranana vonjimaika ny listra fa tsy mbola ao izy ireo raha efa voasoratra tamin’ny fanaovaozana isan-taona teo aloha”, hoy izy.
Etsy andaniny, nankasitrahana tamin’ny ezaka nataony koa ireo mpanisa mpifidy maherin’ny 600 hoan’ny ao Antsiranana I sy II. Notolorana 150 000 Ar avy ireo mpikambana eo anivon’ny CLRE ary nahazo ny anjarany koa ny eo anivon’ny kaominina (CRC).
Tsiahivina fa nihazo ny avaratry ny Nosy izany izao ny Ceni foibe, rehefa avy any atsimo, ny herinandro lasa teo.
Synèse R.