Filohan’ny Antenimierandoholona: “Tsy miraharaha ireo mitady ny toerako aho”

“Tsy manofinofy na mieritreritra izany seza izany ny filohan’ny Antenimierando­holona, fa miasa aloha no ataony. Ho an’izay rehetra mitady ny toerako, zony tanteraka izany. Aleo izy hanao izay afany any, fa ny miasa ihany aloha no fantatro.” Io no nambaran’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, teny Anosikely, afakomaly, manoloana ny siosion-dresaka mandeha ny amin’ny mety ho fanoloana azy eo amin’ny toerany na ny fisian’ny hoe olona mikononkonona haka ny toerany.
Anton’ny resaka ny voalazan’ny And. 46 amin’ny la­làmpanorenana, raha mirotsa-kofidina ny filohan’ny Re­poblika am-perinasa. Mame­tra-pialana enimpolo andro alohan’ny hanatanterahana fifidianana ny filohan’ny Re­poblika am-perinasa raha mirotsa-kofidina ho filohan’ny Repoblika. Amin’izay an­tony izay, ny filohan’ny An­tenimierandoholona no mi­sahana ny anjara raharahan’ny filohan’ny Repoblika andavanandro mandra-panolorana ny fahefana amin’ny filoha vaovao.

Dimy taona ny fe-potoam-piasana
Izay miasa izay aloha no fomba fiasan’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Miasa ny filohan’ny an­drimpanjakana rehetra. “Izay ihany no fantatray. Fantatra­reo fa dimy taona ny fe-potoam-piasako. Miasa andro aman’alina izahay mba hikarakarana an’ireo vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana”, hoy ihany izy. An­ton’ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena any ivelany. Mba hahazoana mitsinjo ny amin’ny faritra sy ny kaominina.

R. Nd.

Partager sur: