“Fanairana no nataonay ary miteny hatrany izahay, rehefa hitanay hoe tsy mandeha amin’ny laoniny. Tsy tokony hotsabatsabahina ny mpitsara. Izay no maha mpitsara ny mpitsara. Tsy natao hobaikoina, indrindra ny mpitsara mpamoaka didy”. Io indray ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Andriantsihorisoa Mbitanarivo. Efa nisy ny fanambaran’ny sendikà, namakiana bantsilana ny fitsabatsabahana sy fanelanelanana eo anivon’ny fitsarana fa tsy eo anivon’ny Pac ihany.
Hafa ny mpitsara ao amin’ny fampanoavana izay voafetran’ny lalàna ao anatin’ny hoe fifampiankinana amin’ny asa. Tsy tokony handray baiko na avy amin’iza na iza ny mpitsara mpamoaka didy, izay tompon’ny teny farany amin’ny raharaha na antontan-taratasy iray. Izay ny fahamarinana tadiavina. Tsy misy tonga lafatra, fa rehefa mandeha araka ny lalàna sy ny tokony ho izy: na ny eo amin’ny fitondrana na tsia ilay olona ary na manana fahefana ahoana, tokony hihatra ny lalàna. Satria tsy misy eo ambonin’ny lalàna ny olon-drehetra, na mpitondra na entina, araka ny fanazavany.
Mila porofo ny “Raharaha Razaivola Raïssa”
Ny amin’ny seho tamin’ny haino vaky jery hoe mila haverin-dRanona sy Ranona ny vola miliara notakina na natao koliloly, nambarany fa manan-jo hanao fitorohana ny voatonontonona amin’ny fanendrikendrehana tsy misy porofo sy izay mety ho fanalam-baraka. Ho an’ny miteny an’ireny, ho fitandroana ny fitsarana sy ny hasin’ny fitsarana: tokony hanome porofo izy ary manan-jo hitory fa misy ny kolikoly sy fanomezam-bola tao anatin’ny raharaha, araka ny nambarany. Fanalam-baraka mety ho diso tafahoatra ireny, ka mangina ry zareo. “Aleo hisy ny fitoriana hisehoan’ny marina, ary angatahina ny hanaovana fanadihadiana fa simba ny hasin’ny fitsarana”, hoy ihany izy.
R. Nd.