“Inona moa no antony hanaovana an’izany fitondrana Tetezamita izany? Tsy misy krizy politika eto amintsika”, hoy ny avy amin’ny vovonana C’Lera, ny depiote voafidy tany Morafenobe tamin’ny anaran’ny RPSD Vaovao, i Voninahitsy Jean-Eugène, momba ny fivoizana ny fidirana amin’ny fitondrana Tetezamita.
Raha avy amin’ny fitondrana tokoa ny fivoizana Tetezamita, midika izany fa fahatahorana fifidianana. Raha avy amin’ny fanoherana indray no manao an’izay, mora hidirana amin’ny fitondrana hakana vola hanaovana fifidianana satria tsy manam-bola ary tratran’ny fandalovana amin’ny tany efitra, araka ny fitenenana.
Na hoe tsy ampy ny vola hanaovana fifidianana dia hiditra amin’ny fitondrana Tetezamita ny fanjakana. Ny eo amin’ny fitondrana ve tsy mieritreritra fa hisy fifidianana amin’ity taona 2023 ity, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana? Tokony ho efa nieritreritra an’izany mialaoha ny fitondram-panjakana, araka ny nambarany.
Tsy fantatra na hisy na tsia ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, taona 2023. “Miandry an’izany izahay”, hoy izy. Ahoana no hanavaona fifidinana, raha tsy misy ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola: vola avy aiza? Na vola avy any ivelany aza io, tsy maintsy miditra amin’ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny tetibola hatrany.
R. Nd.