Fahafenoan’ny fonja : hisy ny paikady vaovao ho an’ny famonjana

Tsy maharaka ny filàn’ny voampanga intsony ny fonja eto Madagasikara, indrindra ny ao Antanimora. Efa maro loatra ary mihoatra ny tokony ho izy ny isan’ny voafonja ao amin’ity fonja ity. Misy ny paikady vaovao momba ny famonjana aroson’ny minisiteran’ny Fitsarana entina mamaha izany olana izany. Tanjona ny hampihenana ny isan’ny voafonja, hifanaraka amin’ny fotodrafitrasa misy. Maro ny dingana lalovana amin’ny fanatontosana izany paikady vaovao izany ary efa eo am-panatanterahana izany ny minisitera tomponandraikitra.
Nandritra ny fidinana ifotony nataon-dRandriama­nantenasoa Landy Mbola­tiana, minisitry ny Fitsarana, tao amin’ny fonjan’Antani­mora no nahitana fa efa mihoatra ny isa tokony ho zakan’ny fonja ny isan’ny voafonja ao. Misy ny paikady vaovao hampihenana izany, ary atao laharam-pahamehana ny fonjan’Antanimora amin’ny fanatanterahana izany. Manomboka amin’ity volana mey 2023 ity hatramin’ny volana septambra no vinaniana hanatontosana izany. Ny mbola tsy voatsara eny amin’ny fonja no hahazo tombony amin’izao paikady vaovao izao. Misy dingana telo arahina amin’ny fanatanterahana izany, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana. Voa­lohany ny fanisana ny voafonja eny ifotony sy fijerena ny antontan-taratasiny ary fanasokajiana azy ireo. Faharoa, ny fijerena sy fampitoviana ny isa eny anivon’ny fonja sy ny fitsarana. Dingana fahatelo sady farany ny fizarana ny antontan-taratasin’ny voafonja amin’ny mpitsara eny anivon’ny fitsarana.
Efa nisy ny fanisana mi­vantana ny voafonja eny An­tanimora, nandritra ny fandalovan’ny minisitra tomponandraikitra. “Anisan’ny olana amin’ny fanatanterahana ny paikady ny tsy fahampianan’ny mpitsara saingy tsy atao sakana izany fa hisy ny fizarana andraikitra eo anivon’ny fitsarana mba hanatrarana ny tanjona”, hoy ny minisitry ny Fitsarana. Hanao zara andraikitra toy ny natao tamin’ny ady amin’ny fananantany ny eo anivon’ny fitsarana amin’ny fanatanterahana izao paikady vaovaon’ny famonjana izao. Araka ny nambaran’ny minisitra hatrany, fanombohana ihany ny eto Antananarivo fa hitohy any amin’ny faritra ny fanatanterahana ny paikady vaovao.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: