Fepetra momba ny lavanila : manahy fitaka ny depiote Siteny

Niverina tany Sambava indray, iray volana aty aoriana, ny Mihava Tour, ahitana ireo depiote maromaro, tarihin-dRandrianasoloniaiko Siteny, afakomaly. “Tsy maintsy harahi-maso ny fizotry ny fanapahan-kevitry ny fanjakana satria ahitana fitaka. Antony iverenanay aty izany”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny fanambakana ny tantsaha, manoloana ireo fepetra noraisin’ny fanjakana nefa tsy mitsinjo ireo tantsaha. Manome vahana ny mpitondra izany ka tsy azo ekena, araka ny nambarany. “Tsy maintsy mbola hiverina aty indray izahay raha tsy milamina io satria ady iraisana izao fanalalahana ny seha-pihariana lavanila izao”, hoy ihany izy. Nanteriny fa ady iraisana izany ka tsy maintsy harahi-maso sady tsy vitan’olon-drery. Tsy azo ekena ny famoretana ny tan­tsaha. Foto-piveloman’ny mponina aty Sava io, araka ny nambarany.
Notsiahiviny indray koa fa tsy misy mpitondra mahavita mitantana izany eto amin’ ny firenena raha tsy mametraka ny tena fitsinjaram-pahefana. Manome vahana sy fahefana ny eny ifotony, araka ny nambarany hatrany.

Synèse R.

Partager sur: