Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Nohitsin’izy ireo
tamin’izany ny tsy fahitan’izy ireo taratra ny finiavan’ny Ceni amin’ny fanatanterahana ny asany amin-kitsim-po sy am-pahamarinana.
“Helohinay ny fiziriziriana amin’ny fomba fiasa tsy mangarahara sy ny tsy fanajana lalàna mandritra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Tsy misokatra koa ny Ceni ka miantso anareo hiverina amin’ny fanarahan-dalàna”, hoy ny fanambarana. Nanterin’ny MMM fa tokony hitovy ny fandraisana ny olon-drehetra manoloana ny lalàna sy ny fitsarana. Anton’izao fanambarana izao ny nahitan’ity antoko ity fa nodikain’ny filohan’ny Ceni, araka ny naoty navoakany, 1014/22/Ceni, ny andininy maro amin’ny lalàna 2028-008 momba ny fifidianana. “Manova ny andininy maro amin’io lalàna io izany naoty momba ny fandraisana ireo mpikambana eo anivon’ny CLRE sy ny fizotry ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izany. Nampiasaina tamin’ny fandraisana anaran’ny mpifidy, nanomboka ny 1 oktobra 2022 anefa izany”, hoy ny MMM.
Tsy nitaza-potsiny ity antoko ity ka nametraka fitoriana teny amin’ny filankevi-panjakana ny 30 septambra teo, mba hanafoanana io naoty io noho ny tsy fanarahan-dalàna maro, niseho.
Tsy namaly ny fitoriana ny Ceni
Tsy namaly ny fitoriana anefa ny Ceni sady tsy tonga niatrika ny fotoam-pitsarana rehefa nomena fotoana hamaliana izany, mialoha ny fotoam-pitsarana, tokony ho natao ny 23 mey lasa teo. Efa nanao ny antsoina hoe “Mise en demeure” ny Ceni koa ny filankevi-panjakana ny febroary teo. Mazava anefa ny fampahatsiahivan’ny MMM ny And 141 amin’ny lalàna 2004-036 momba ny fomba fiasan’ny fitsarana tampony fa efa naman’ny manaiky ireo antony rehetra nitoriana azy ireo ny Ceni rehefa tsy novaliany izany “Mise en demeure” izany. “Araka izany, tokony ho namoaka didy momba izany ny filankevi-panjakana. Nanapa-kevitra fotsiny anefa io fisarana io fa ahemotra amin’ny tsy voafaritra ny fotoam-pitsarana”, hoy ny MMM.
Synèse R.