Rakotomavo José : “Fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony no vahaolana maharitra”

Hanao ahoana ihany ny ho fizotran’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao? Maneho ny fijeriny ny mpandrindra ny “Vondrona Antanimena” izay nikarakara fihaonambe momba ny fampihavanana sy fanorenana ifotony teny Antenimena, taona 2014, Rakotomavo José: “Vahaolana maharitra no ilaina: fampihavanam-pirenena sy fanorenana ifotony.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao?
Rakotomavo José (-): Rehefa misy fifidianana, saika misy korontana: simba ny fiarahamonina, potika ny toekarena… Izay hatrany no mampahantra antsika. Ha­nahirana izao, raha tsy misy fitoniana sy fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika hirotsa-kofidina. Eo, ohatra, ny tsy fahatokisan’ireo izay tsy eo amin’ny fitondrana na tsy mitovy hevitra aminy mom­ba ny HCC sy ny Ceni, takin-dry zareo ny hanovana azy. Tokony hisy fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra ary fitadiavana marimaritra iraisana izany alohan’ny hahatongavana amin’ny fifidianana.
Vahaolana maharitra no ilain’ny firenena amin’ny se­hatra samihafa hialana amin’ny fahantrana sy hisian’ ny filaminana. Isaorana ireo raiamandreny ao amin’ny Fiangonana namaly ny an­tson’ny ankolafin-kery maro, amin’ny nandraisany andraikitra niantso ireo mpisehatra politika sy mpisehatra kristianina samihafa hifanakalo hevitra amin’izay hatao hialana amin’izay mety ho savorovoro. Aleo halamina ny toe-draharaha raha mbola misy raiamandreny to teny, fa ny “tany misy olobe tsy miady zaza”. Heverina fa ny mahafehy olona maro eto amin’ny firenena amin’izany eo amin’ny samy Malagasy ny FFKM. Efa miroso amin’ny fanatanterahana fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra isam-paritra rahateo ry zareo amin’
izao.

* Aiza ho aiza amin’izay ny Vondrona Antanimena?
– Tsy misy lalana hafa afa-tsy ny fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra, fa mila fahaiza-manao ny fikarakarana azy. Tokony hobanjinina ha­trany ny tanjona: fitadiavam-bahaolana amin’ny ady amin’ ny fahantrana. Manainga ny hery samihafa hanolo-kevitra. Fifanatonana sy fifanakalozana am-pilaminana sy fifanajana no hahitana ny fomba sy tetika mahomby… Raha tanteraka ny fampihavanam-pirenena, hisy ny fitoniana ary afa-kiasa tsara ireo mpitondra mifanesy voafidy: hampihatra ireo sosokevitra amin’ny fifanatonana amin’izay hampandroso ny firenena.
Mitaky fifidianana madio sy fampiharana ny demokrasia koa izany, hanamafisana ny filaminana. Lesona notsoahina tamin’ny tantaram-pirenena izany, ka tokony hotandremana: hajoro tsara ireo rafitra misahana fifidianana isan’ambaratonga. Anton’ny fifanatonana sy fifanakalozan-kevitra amin’ny fampihavanana alohan’ny fifidianana koa ny fikarohana ireo vahaolana isan-tsehatra: fiarahamonina, indrindra ny fihariana hisorohana ny fahantrana. Izay androsoanay sosokevitra amin’ny hoe fanorenana ifotony. Fanorenana ifotony fa tsy revolisionina. Tsy mitovy izay.

* Inona ilay hoe fanorenana ifotony?
– Mitotongana hatramin’izao ny toekarena, ny fihariana, ny fiarahamonina… Tsy maintsy mandamina an’ireo sehatra ireo isika vao tonga amin’ny vahaolana maharitra amin’ny fanarenam-pirenena. Mba tsy ho sahirana intsony ny olona, rehefa milamina ary fantany ny lalan-kombana sy ny vahaolana amim-pilami­nana.
Tsy tokony hijanona fotsiny amin’ny fanatanterahana fifidianana ka hoe hamboarina ny HCC sy ny Ceni, sns, dia hilamina sy handroso i Ma­dagasikara. Ilaina izany fa tsy ampy. Efa tafahitsoka lalina ao anatin’ny fahantrana isika, ka simba ny fiarahamonina, ny toekarena, ny politika… Lasa miankin-doha be loatra amin’ireo vahiny. Tokony hitady vahaolana maharitra amin’ny sehatra samihafa isika Malagasy, tsy mionona fotsiny hampandeha ny raharahm-panjakana izay tonga eo amin’ny fitondrana.
Ilaina ny fanarenana ny sehatra sy ny rafitra maro amin’ny fomba fitantanana toy ny fambolena sy ny fiompiana, ny fanabeazana, ny toekarena, ny tontolo iainana, ny fahasalamana… Asa goavana izany. Ho takin’ny vahoaka amin’ireo mitolo-tena hitantana ny raharaham-pirenena aorian’ny fifanatonana ha­taon’ izy ireo, ka hamoahan’ny mpizaika tolo-kevitra ham­pandrosoana ny firenena. Tokony hampieritreritra azy ireo izany, fa asa masina ny fitantanana firenena.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: