Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny fifaninanana kick-boxing, nokarakarain’ny Fihezama. Mpikatroka manana ny maha izy azy anisan’ny niverina niakatra ringa i Maître Gildas. Nifaninana teo amin’ny sokajy -71 kg Low Kick izy ary nifanandrina tamin’i Maître Jhonny. Raha hiverenana ny mahakasika ny fifaninanana, ady niisa 8 no nitranga tetsy Mahamasina. Nahitana sokajy -52kg vehivavy, ny sokajy -51kg hatramin’ ny -80 kg ny teo amin’ny lehilahy, “Classe A”. Nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny klioban’ny JKA izay nahazo fandresena betsaka indrindra. Niavaka ny fifaninanana tamin’ity satria nahitana mpikatroka avy any Maevatanana sy Antsirabe ary Port-Bergé, ankoatra an’Analamanga.
Raha ny tokony ho izy, ady teo amin’ny 14 teo no tokony ho nitranga saingy nisy ny tsy fahafahan’ireo mpikatroka sasany tamin’ny ora farany.
Mi.Raz
VOKATRA CLASSE ‘A’
Vehivavy, – 52kg : Sandra(JKA)#Tilo(Maevatanana)= Sandra
Lehilahy,-51kg : Joseph(JKA)#Mamitiana(RKC)=Joseph
-54kg: Manga(JKA)#Jonathan(Scorpion)=Manga
-57kg: Faneva(JKA)#Moustafa(RKC)=Moustafa
-60kg: Pierrot(CKBM)#Black(Maevat)=Pierrot
-70kg: Angelo(JKA)#Appolone(CKBF)=Appolon
-71kg: Gildas # Jhonny= Gildas
-80kg: Elyse(Maev)#Kasisy(cospn)=Elyse.