Mpilalao anisan’ny manohy fianarana sy ny basikety any ivelany, Rabibisoa Jerry Pépin, Andriatsarafara Lovasoa ary i Mathias M’Madi. Nahazoana vaovao tsara izy ireo ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fifaninanana natrehiny avy. Ho an’i Jerry, izay milalao ao amin’ny Espoirs Gravelines-Dunkerque ao Frantsa, mpilalao nitondra fandresena ho an’ny ekipany izy, nandritra ny andro faha-11, fiadiana ny tompondakan’i Frantsa “Espoirs Elites”. Nahazo fandresena nanoloana ny Espoirs Boulogne-Levallois ny ekipan’i Jerry ary tao anatin’ny 25 minitra nilalaovany, dia nahazo isa 7 ity Malagasy mpilalao ity. Tsiahivina fa lalao 7 izay no natrehin’i Jerry sy ny ekipany ka 2 tamin’ireo no naha tompon-toerana azy izay nampisehoany ny fahaizany tanteraka.
Etsy ankilany, mivoatra ary nahavita dingana goavana ihany koa i Lovasoa sy i M’Madi, ny herinandro lasa teo, tao amin’ny klioba misy azy ireo “National Junior College Athletic Association” (NJCAA), ao Etazonia. Nilalao inefatra ary nahazo isa 26 be izao i Mathias M’Madi, tamin’ ny lalao nifanandrinany tamin’ ny Eastern Arizona. Salanisa 7,8 kosa no azon’i Lovasoa, tamin’ireo lalao 3 amin’ny 4 naha tompon-toerana azy.
Marihina fa samy Malagasy mpilalao manana ny maha izy azy avokoa izy telo mirahalahy ireo ary fototry ny fahombiazan’ny ekipa malagasy nandritra ny lalao iraisam-pirenena maro, toy ny “Afrobasket U18”, ny fifanintsanana fiadiana ny tompondaka maneran-tany U19 ary ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany farany teo.
Mi.Raz