Mifarana izay ny taom-pilalaovana 2023, ho an’ny taranja Bisikileta. Marihina fa nahazo medaly alimo iray izy ireo nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023. Hisy fifaninanana iraisam-pirenena hatao ny taona 2024.
Vita ny lalaon’ny Nosy 2023, nahazoan’i Madagasikara medaly alimo, izay natao teto amintsika, ny 25 aogositra hatramin’ny 3 septambra lasa teo. Mikasa
ny hikarakara fifaninanana “Tournoi de l’Océan Indien” (OI), isan-taona ny federasiona misahana ity taranja ity eto anivon’ny ranomasimbe Indianina. Nilaza ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja bisikileta (FMC), Relahy Jean Claude, omaly, fa efa an-dalana ny hanatanterahana izany izy ireo amin’izao fotoana izao. Ny taona 2024, hisy ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy vehivavy sy sokajy zandriny “Junior”. Ankoatra izay, manomboka manao ny fanisana ny klioba ny Federasiona ankehitriny. Nomarihin’ny lehiben’ny FMC, fa izay klioba tsy manatitra ny taratasy maha ara-dalàna azy eny amin’ny Federasiona dia tsy afaka mandray anjara amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ny taona 2024. Tsy eken’izy ireo ny “club fantôme” mifaninana amin’ny fifaninanam-pirenena.
Raha nanao jery todika ny taona 2023 ny filoha mpitarika ity taranja ity eto amintsika, tsapany fa maro ireo lesoka nisy. Anisan’izany ny tsy fahampian’ny teknisianina eny anivon’ireo klioba, ny tsy fanaovana ny fanazaran-tena amin’ ny tokony ho izy. Miampy ny tsy fanomezan’ny minisiteran’ ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) ny fanampiana ara-bola na ny “subventions” izay tokony ho azon’ny Federasiona.
Tsiahivina fa tamin’ity taona ity, nanao fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara 2023, ny FMC, ny volana jolay lasa teo. Ireo fitaovana nomen’ ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, ho an’ny taranja bisikileta, tazonin’ny federasiona, hampiasain’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.
Fitia Randria