BAREA : nanomboka omaly ny fanazaran-tena

Afaka roa andro, hanomboka ny fifanintsanana ny hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny « Mondial Etats Unis 2026 », taranja baolina kitra, aty Afrika. Efa nanomboka nanao ny fanazaran-tenany tany Accra Ghana ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa hifanandrina voalohany amin’izy ireo mandritra ity fifanintsanana ity ny ekipa nasionalin’i Ghana, Black Star, ny 17 novambra ho avy izao, any Kumasi Ghana.
Efa tazana, omaly, nandritra io fanazaran-tena voalohany io, ireo Malagasy mila ravinahitra any ivelany. Anisan’izany ry Rakotomalala Njiva, Rayan Raveloson, Bertrand Dorian, Thomas Fontaine, El Hadari, Randriamamy Mathyas, Kenji Van Boto, Demoleon Louis, Melvin Adrien. Marihina fa tonga omaly namonjy ny fivondronana any Accra ireo Malagasy mila ravinahitra hafa toa an-dry Loic Lapoussin, Marco Ilaimaharitra, Romain Metanire, Adrien Trebel, Rakotova­zaha Allan. Ankoatra ity lalao ity, hifandona amin’i Tchad i Madagasikara, ny 20 novambra ho avy izao, ao Maroc.

Fitia Randria

Partager sur: