Taorian’ny lalaon’ny Nosy 2023, izay notanterahina teto amintsika, ny 25 aogositra -3 septambra lasa teo, ka nahazoan’ny vehivavy mpilalao tenisy ny medaly volamena roa. Namiratra tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ireo Malagasy, vehivavy mpilalao, ity taranja ity. Raha ho an-dRazafinarivo Mirindra, nahazo amboara telo tamin’ny fifaninanana telo natrehany, ho an’ny lalaon’olon-tokana “simple”, ao anatin’ny fifaninanana ITF Juniors, natao tany Cameroun, izy.
Norombahin’i Voaviandraina Harena sy Macy Denney Richards, vehivavy britanika mpilalao tenisy ny amboaran’ny lalaon’olon-droa “doubles”, izay notontosaina tany Kenya. Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa handray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Mada 2023”, Antananarivo. Hotontosaina eny amin’ny Club Olympique de Tananarive, Ankadikely Ilafy, izany. Marihina fa afaka mandray anjara avokoa ireo sokajy rehetra “1ère – 4ème Série”, lahy sy vavy ary ny vétérans. Izay voahosotra ho tompondaka amin’ity no mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy Akomba.
Fitia Randria