Hanomboka anio ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, izay hatao any Etats-Unis. Lalao voalohany ho an’i Madagasikara ny fifanandrinany amin’i Ghana.
Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Baba Yara Kumasi Ghana, ny fihaonana eo amin’i Madagasikara sy i Ghana, taranja baolina kitra. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny sokajy “I”, izay hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”, hatao any Etats-Unis.
Mbola manala vela amin’ny Black Star Ghana ny ekipam-pirenena malagasy Barea de Madagasikara. Tsiahivina fa resin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barea, nandritra ny lalao mandroson’ny fifaninanana hiadiana ny tapakila ny Can 2024. Raha ny fihaonan’izy ireo farany tetsy Mahamasina, nisaraka ady sahala, 0 no ho 0 ny roa tonta.
Tsiahivina fa tsy afaka milalao i Dadafara, Malagasy vodilaharana noho ny fahoriana mianjady azy. Aorian’ity lalao ity, hihaona amin’i Tchad any Maroc, i Madagasikara, ny 20 novambra ho avy izao. Tsara ny mampahafantatra fa ireto avy ireo firenena miray vondrona amin’i Madagasikara: i Mali, i Comores, i Tchad, i Centrafrique, i Ghana.
Ankoatra izay, niainga omaly, teto an-tanindrazana ho any Kumasi Ghana, ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Tsara marihina fa manana tanjona goavana ity filohan’ny FMF ity, ny hanaovan’ny Barea Mondial amin’ny taona 2026.
Fitia Randria