Nanomboka omaly ny fifanintsanana hiadina ny tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”. Resin’ny Black Star avy any Ghana tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara.
Niady mafy saingy nanao ny tsy nambinina ny Barean’i Madagascar, omaly. Lavon’ny Black Star avy ao Ghana, tamin’ny isa 1 no ho 0 izy ireo. Fihaonana notanterahina tao amin’ ny kianjan’i Baba Yara Kumasi. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, hiadiavana tapakila hiatrehana ny “Mondial 2026”, ho an’ny sokajy “I”. Fifaninanana atao any Etazonia.
Nanindry tanteraka ny Malagasy mpilalao teo amin’ ny fizaram-potoana voalohany. Porofon’izany ny baolina saika nampidirin’i Njiva, lohalaharana Barea, tamin’ny minitra faha-13. Nisy koa ny baolina saika tafiditr’i Tsiry kely, hirakiraka Barea, ny minitra faha-23. Nentina niala sasatra ny ady sahala tsy nisy nitoko.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nifandimbiasana ny fanafihana. Maro ireo baolina tokony ho tafiditra, anisan’izany ny an’i Njiva, izay nidona tamin’ny tsivalamby, ny minitra faha-78. Tany amin’ ny segondra farany tsy hifaranan’ny lalao, (90+5), nahatafiditra baolina ho an’i Ghana, i Hinaki Williams, lohalaharana Black Star. Tsy mbola vita ny fifaninanana ho an’ny Barea. Taorian’ny fihaonan’izy ireo tamin’i Ghana, hifanandrina amin’i Tchad ny ekipam-pirenena malagasy, ny 20 novambra ho avy izao, any Maroc.
I Ghana, i Tchad, i Comores, i Centrafrique, ary i Mali no miray vondrona amin’i Madagasikara, ao amin’ity vondrona “I” ity.
Fitia Randria