Andrianjafy Ny Aina Anna, 16 taona, atletan’ny TAF Analamanga. Anisan’ireo zandriny indrindra niatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, teto Madagasikara. Tsy diso safidy ny Federasiona malagasy sy ireo teknisianina nifantina azy satria nitondra avo ny lazan’i Madagasikara ny tovovavy. Nahazo ny medaly volamena teo amin’ny 4 x 400 m sy ny alimo teo amin’ny 400 m tsotra. Tsy tongatonga ho azy ny vokatra satria Andrianjafy Manoa, rainy dia efa tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny 800 m. Izy rahateo no nampirisika an’i Aina hanao ity taranja ity.
Voalohany teo amin’ny fiainan’i Aina ny niatrika lalao iraisam-pirenena ka nitoetra ho fahatsiarovana tsara ho azy iny lalaon’ny Nosy iny. Tao aminy ny tebiteby, ny fikirizana sy ny hafaliana. Sambany mantsy izy no nifaninana tamin’ireo vahiny. «Natahotra teo am-boalohany saingy nampahery ahy ny fampirisihan’ny ray aman-dreny, ny namana sy ny mpanazatra. Tsy maintsy vitako ity, izay ny masaka tao an-dohako», hoy izy. Nambarany fa vao dingana iny fa tanjona ny hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ka hiantsoany ireo malala-tanana sy mpanohana hahatrarany izany.
Nividianany fitaovana hamitany ny fianarany teny anglisy sy nanampiany ny ray aman-dreniny ilay vola fankaherezana, avy amin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Tsy manelingelina ny fianarany ny fanaovana atletisma, fa vao mainka aza manome hery ho azy. Nisaorany, Rakotondrabe Hanitra, mpanazatrany ka nahazoany iny vokatra iny.
«Mila fahavononana sy fampijalian-tena ary fiaretana satria mafy ny kotrana vao mahazo vokatra», hoy izy.
Torcelin