Kitra – Fifanintsanana «Mondial 2026»: Vonona handresy ny Les Sao, Tchad ny Barean’i Madagasikara

Ho tanterahina anio any Maroc lalao, hihaonan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Sao-n’i Tchad. Tafiditra amin’ny fiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026» izany.

Hitohy anio alatsinainy ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny «Mondial 2026 », taranja baolina kitra, ho an’ny faritr’i Afrika. Anisan’ny hiatrika izany ny Barea de Madagascar, milalao ao amin’ny vondrona “I”. Hifanandrina amin’ny Les Sao-n’i Tchad ny Malagasy anio alina. Lalao mandroso, tafiditra amin’ny andro faharoa. Noho ny tsy fananan-dry zareo, Tchad, kianja ara-dalàna sy ankatoavin’ny Kaonfederasiona afrikanina (CAF), voatery hatao ao amin’ny stade de Oujda Maroc izany.
Efa samy any an-toerana ny ekipa roa tonta. Efa samy nitsapa ny kianja. Tsiahivina, samy resy avokoa teo amin’ny andro voalohany ny ekipa roa tonta. Niondrika tamin’ny isa 1 no ho 0 nanoloana ny Kintana maintin’i Ghana ny Barea, raha 3 no ho 1 ny nanintsanan’ny Voromaherin’i Mali ny Les Sao Tchad.
Hiady ny fihaonana satria samy tsy misy tompon’ny kianja na ny an-daniny na ny an-kilany. Marihina fa sambany vao hidona ny roa tonta, eo amin’ny fifaninanana ofisialy toa izao. Manantombo, lohalarana eo amin’ny filaharan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA) ny Barea. Any amin’ny laharana faha-179 mantsy ny misy ny Les Sao Tchad raha 108 ny Barea de Madagascar.

Tapa-kevitra
Vonona tanteraka ny Barea de Madagascar, anio, haka ny fandresena manoloana an’i Tchad. Ambony ny toe-tsaina taorian’ny faharesena ny zoma lasa teo. Efa nanarina ny tsy nety ny mpanazatra. Manamafy ny famonoam-baolina izay hita fa tena lesoka goavana teo amin’ireo Malagasy lohalaharana. Araka ny tsiliam-baovao, mety hiovakely ireo 11 hiditra voalohany amin’ity fihaonana amin’ny Les Sao Tchad, ity.
Tsiahivina fa manomboka amin’ny 10 ora alina eto Madagascar ny fanombohan’ny lalao eo amin’ny Barea de Madagascar sy Les Sao Tchad.

Tompondaka

Filaharana tao aorian’ny andro voalohany

1-Comores – (Isa 3)
2-Mali – (Isa 3)
3-Ghana – (Isa 3)
4-Madagascar – ( Isa 0)
5-Centrafrique – (Isa 0)
6-Tchad – (Isa 0)

Partager sur: