Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianjan’Alarobia, ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana baolina kitra, “Orange challenge U17”. Tafita amin’ny famaranana, izay hatao ny alahady ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny ekipan’ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, lavon’ny AS Jet Mada tamin’ny fandakana “tirs au but”, 5 no ho 3, ny Starz Union, rehefa nisaraka ady sahala 2 no ho 2, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Ny AS Etoile Filante, nandresy ny 67 City FC, tamin’ny isa 2 no ho 1.
Marihina fa anisan’ireo manohana ity fifanintsanana ho an’ny tanora ity ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Tsiahivina fa ny CUA izay miezaka ny mampivelatra ny tanora sy ny fanatanjahantena eto an-drenivohitra. Andiany fahatelo ity fifanintsanana “Orange Challenge U17” ity.
Fitia Randria