Ny sabotsy lasa teo, nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny Federation international de pétanque et jeu provençal (FIPJP), ny mpitantana ny tsipy kanetibe malagasy (Federation sport-boule malagasy). Ho setrin’ny tsy famelana ny ekipam-pirenena malagasy handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy “junior”, lehilahy sy “senior”, vehivavy, takiny ny hamerenana ny vola ho an’ny fampiantranoana any amin’ny federasiona Thaïlandaise, mampiantrano izany fihaonana maneran-tany izany. Raha tsiahivina, efa nahavita ny fisoratana anarana ny Malagasy ary efa io nandoa vola io saingy nosazian’ny federasiona iraisam-pirenena, tamin’ny ora farany, ka tsy navelany hifaninana. Ny 22 ka hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, no hanatontosana izany fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany izany.
Tsiahivina fa efa tao anaty fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy ary efa nalefa tany amin’ny FIPJP ny anaran’ireo mpilalao 8 mianadahy mianaka, mandrafitra ny delegasiona.
Tompondaka