Niasa an-tsitrapo ho an’ny taranja judo teto Madagasikara, ny Sensei Tomokazu Iwahori, ilay mpanazatra teratany japoney. Nandritra ny taona vitsivitsy izy no nanampy ny Federasiona malagasin’ny judo, teo amin’ny lafiny teknika sy nanampy ny ekipam-pirenena malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro. Nifarana tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity izany iraka nataony ho an’ny judo malagasy izany. Nankasitraka sy nidera azy ny FMJ notarihin’ny filohany, Saïd Bruno Eric. “Fahombiazana tanteraka ny fiaraha-miasa tamin’ny Sensei Tomokazu Iwahori ary niakatra ny lentan’ny judokas malagasy”, hoy ny nambaran’ny filohan’ny FMJ. Nitondra ny teny fisaorana avy amin’ny judokas malagasy rehetra manerana ny Nosy ity filoha ity, izay marihina fa nahazo traikefa tamin’ny Sensei Tomokazu Iwahori avokoa ny judokas tsy an-kanavaka, na teto Antananarivo na ny tany amin’ny faritra. Nisy fifampizarana traikefa nataony tany Toamasina sy Toliara ary tany amin’ny faritra ankoatra an’ Analamanga. Tsy nanadino nisaotra ny JICA Madagascar ihany koa ny Federasiona Malagasin’ny Judo,amin’ny fanohanana tsy misy fiafarany ny judo malagasy sy ny Malagasy mpikatroka.
Mi.Raz