“Orange Pro League” : hanomboka ny volana janoary

Nambaran’ny filohan’ny Clubs de foot-ball élite de Ma­da­gascar, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, fa ha­nom­boka ny volana janoary 2024, ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” (OPL), taranja baolina kitra. Araka ny efa nambarany, misy ny fanovana hatao amin’ity fifaninanana ity.
Anisan’izany ny hampiraisana ireo klioba rehetra mifaninana amin’ny OPL ao anaty vondrona iray. Tsiahivina fa nizara roa ireo ekipa mpifaninana tany aloha: ny Kaonferansy avaratra sy atsimo. Raha ny fanazavan’ity lehiben’ny CFEM ity, hifarana ny volana jona ho avy izao ny fifanintsanana. “Hiarahana mandinika amin’ireo filohana klioba rehetra mifanintsana amin’ny OPL ity vina vaovao ity”, hoy ny filohan’ny OPL.
Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo fifaninanana nasionaly nahazoan’ny Barea de Madagascar vokatra tsara nandritra ny “Chan 2022”, izay natao tany Algérie ny OPL. Ireo mpilalao nisongadina tamin’izany no nandrafitra ny Barea.

Fitia Randria

Partager sur: