Road to BAL – Élite 16: nandresy ny Ferroviario ny Cospn

Nahomby ny ekipan’ny Cospn omaly, nanoloana ny Ferroviario Mozambika. Ao anatin’ny fifanintsanana “Élite 16”, hahazoana ny tapakila hiatrehina ny “Road to BAL” 2024, taranja basikety. Nandresy tamin’ny isa 88 no ho 57 ny Malagasy.

Hatrany am-piandohan’ ny lalao no efa nanantombo ny Cospn ary vo­a­tazony hatramin’ny fiafaran’ ny fihaonana izany elanelana izany ka nivoaka ho mpandresy mazava, tamin’ny isa 88 no ho 57. Nanjakan’ireo Mala­gasy tanteraka ny ampaham-potoana voalohany sy faharoa ary tena tafiditra tao anaty lalao ny mpilalaon’ny Cospn. Somary nisy ny tandrevaka teo amin’ny ampaham-potoana fahatelo ary nanao fahadisoana matetika ny Malagasy. Niha nahazo aina, tetsy ankilany, ny mpifanandrina. Na izany aza, mbola nitarika hatrany ny Cospn saingy nifanakaiky (59-47) ny isa teo amin’ny roa tonta. Nahay naka lesona tamin’ny lalao voalohany natao ny talata teo ireto ekipa ireto ka nanarina ny lesoka, teo amin’ ny ampaham-potoana fahefatra. Antony nahazoana ny fandresena izany. Tsiahivina fa resin’ny City Oilers Ouganda tamin’ny isa 81 no ho 76 ny Cospn, tamin’ny andro voalohany. Mbola hiatrika ny lalao hifandonana amin’ny JBL Zimbamboe kosa ry Elly sy ny namany ho amin’ny anio amin’ny 1 ora tolakandro, ora eto Madagasikara. Fandresena hatrany no andrandraina amin’ity andro fahatelo farany amin’ny dingana faharoan’ny fifanintsanana amin’ny “Road to BAL” 2024 ity. Efa fanamby napetraky ny Malagasy mpilalao sy ny filohan’ny Cospn rahateo ny ho tafita amin’ity dingana “Élites 16” ity ka hiatrika ny dingana manaraka. Miankina amin’ny vokatry ny lalao anio, araka izany, ny ho tohin’ny lalan’ny Cospn Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: