“Baolina kitra mahatafita” : hitily mpilalao eto Madagasikara ny klioba frantsay, Losc Lille

Ho tonga eto Madagasikara hitily mpilalao miisa 60 ireo vahiny teknisianina miisa efatra. Hanomboka ny alatsinainy ho avy izao ny fitsapana ho an’ireo Malagasy mpilalao baolina kitra.

Ho fampivoarana ny baolina kitra malagasy sy ho fampiakarana ny isan’ireo Malagasy mpilalao mila ravinahitra any ivelany, nampahafantarina, omaly, tetsy amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina ny hetsika “Bao­lina kitra mahatafita”. Nison­gadina tamin’izany ny filazana fa ho avy hitily ireo Malagasy mpilalao miisa 60 eto amin­tsika ireo vahiny teknisianina miisa efatra. Anisan’izany ny klioba Losc Lille France (D1), RS Berkane Maroc (D1), Whitecaps FC MLS Etats-Unis (D1), Club Africain Tunisie (D1). Hanomboka ny alatsinainy 27 novambra hatramin’ny alahady 3 desambra ho avy izao ny hetsika, etsy Mahama­sina.
Marihina fa miara-misa­lahy amin’ity hetsika ity ny minisiteran’ny Fanatanjahan­tena sy ny tanora (MJS), ny LNR Sport Management, ny Federasion malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Raha ny fanazavana nataon’ ny mpikarakara, 17-21 taona ireo mpilalao ireo. Raha ny vaovao voaray, ny sabotsy ho avy izao ireo vahiny no higadona eto Madagasikara. Tsara marihina fa izy 60 mirahalahy, voafantina tamin’ny fitiliana nasionaly natao tamin’ireo renivohi-paritany eto amin­tsika. Anisan’izany, Antanana­rivo, Morondava, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara, Antsi­rabe, Toliara, Antsiranana, Toa­masina. Tsara ny mampahafantatra fa nahatratra 2 500 ny fitambaran’ireo tanora tonga nitsapa ny fahaizany tany amin’ ireo toerana ireo.

Fitia Randria

Partager sur: