“Road to BAL”-Elite 16 : tafakatra amin’ny manasa-dalana ny Cospn

Mitohy hatrany ny lalan’ny Cospn, ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapaki­lan’ny “Road to BAL” 2024, taranja basikety. Nandresy ny JBC Zimbabwe indray ny malagasy, omaly, tao Johannes­burg, Afrika, ka hiatrika ny lalao manasa-dalana.Tapakila ho amin’ny manasa-dalana “Division East” no azon’ny Cospn taorian’ny nahazoana ny fandresena nanoloana ny JBC Zimbabwe, tamin’ny isa 78 no ho 73, omaly. Niady mafy ary tsy nisotro rano i Elly sy ny namany hatrany am-piandohan’ny lalao hatramin’ ny fiafarany. Fitaintainana no niandrasana ny isa farany satria nifandimby nampidi-baolina hatramin’ny minitra farany ny roa tonta. Mbola tsy fantatra aloha hatreto ny hifanandrina amin’ny Cospn satria niankina tamin’ny lalao nihaonan’ny Ferroviaro Mozambi­que sy City Oilers Ouganda ny filaharan’ny Cospn, ao amin’ ny vondrona misy azy. Mbola miankina amin’ny lalao eo amin’ny Cap Town Tigers sy BBC ihany koa ny ahafanta­rana izay hihaona amin’ny Cospn amin’ny manasa-dalana. Tsiahivina, fandresena roa tamin’ny lalao 3 natrehany no azon’ny Cospn, izay nohamafisin’ny mpanazatran’izy ireo fa nanome ny tsara indrindra ny mpilalao rehetra. Lesoka kely fotsiny ny tsy mbola nahatafiditra tsara ny ekipa tamin’ ny lalao voalohany. Raham­pitso sabotsy ny hanaovana ny lalao manasa-dalana ary ny alahady kosa ny famara­nana.

Mi.Raz

Partager sur: