Amboaran’i Madagasikara: Ekipa valo hanao lalao sakana amin’ny rugby

Hotanterahina rahampitso alahady, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja rugby. Hiady lohany amin’izany ireo ekipa 12 voalohany sangany amin’ny “Top 12”. Araka ny fandaminana napetraky ny Malagasy Rug­by, hanao ny lalao sakana ireo ekipa nitana ny laharana fahadimy ka hatramin’ny fahavalo, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka “Top 20” farany teo ka hiady ny tapakila hiatrehana ny ampahefa-dalana amin’ity amboara ity.
Tsy miatrika ity fifanintsanana ity ireo ekipa efatra tonga teo amin’ny manasa-dalana dia ny FTM Manja­karay, ny Cosfa sy ny 3FB ary ny Uscar.
Hangotraka ny fihaonana satria mangoron-damba avy hatrany izay resy, rahampitso. Anisan’ny fihaonana andra­san’ny rehetra ny fifanandri­nan’ny samy kartie, dia ny Mang’Arts Manjakaray sy ny Tam Anosibe. Hanala vela amin’ity ry zareo Manjakaray. Raha ny lalao farany, resin’ Anosibe, tany amin’ny minitra farany, tamin’ny fanalavam-potoana, izy ireo nandritra ny ampahavalon-dalana niadiana ny “Top 20” farany teo.

Tompondaka

Ireo fandaharan-dalao rahampitso

09:00 – FTBA (Andohatapenaka) vs USA (Ankadifotsy)
11:00 – UASC (Cheminots) vs TFA (Anatihazo)
01:00 – TFMA (Ankasina) vs STM (Savony)
03/00 – TAM (Anosibe) vs Mang’Arts (Manjakaray)

Partager sur: