Hifarana rahampitso, eny amin’ny kianjan’Alarobia, ny fifaninanana “Orange Challenge U-17 2023”, taranja baolina kitra. Hihaona eo amin’ny lalao famaranana amin’ity fifanintsanana ity, ny AS Jet Mada sy ny AS Etoile Filante. Raha hiverenana ny manasa-dalan’izy ireo, izay notontosaina ny alahady 19 novambra lasa teo, teny an-toerana ihany.
Lavon’ny AS Jet Mada tamin’ny fandakana “tirs au but”, 5 no ho 3, ny Starz Union, rehefa nisaraka ady sahala 2 no ho 2, nandritra ny fe-potoana ara-dalàna. Ny AS Etoile Filante, nandresy ny 67 City FC, tamin’ny isa 2 no ho 1. Anisan’ireo manohana ity fifanintsanana ho an’ny tanora ity ny Kao¬minina Antananarivo Reni¬vohitra (CUA). Azo ambara ihany koa fa miezaka ny mampivelatra ny tanora sy ny fanatanjahantena eto an-drenivohitra ny eo anivon’ny kaominina. Tsara ny mampahafantatra fa ity no andiany fahatelo, fifanintsanana “Orange Challen¬ge U-17”.
Fitia Randria