Hotontosaina ny faran’ity herinandro ity, any Le Caire Egypte, ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3. Nivoaka ny sabotsy teo ny lisitra ofisialin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, lahy sy vavy.
Fiovana misongadina ny fahitana an-dRandriatahiana Sarobidy, mpilalaon’ny GNBC, ao anaty lisitra. Raha ny fanazavana, misolo an’i Chine i Sarobidy. Tsy afaka miatrika ity fifaninanana ity mantsy i Chine, noho ny fanohizany ny fianarany ho Zandary any Ambositra. Ankoatra izay, tsy misy fiovana fa i Muriel, i Sydonie ary i Christiane ihany no manampy an’i Sarobidy, eo amin’ny sokajy vehivavy. Rakotomalala Mathieu kosa no mpanazatran’izy ireo. Eo amin’ ny sokajy lehilahy kosa, ireo mpilalao niatrika ny lalao natao tany Chine farany teo ihany no tazana ao anaty lisitra.
Ahitana an’i Arnol, i Livio, i Rick-Ley ary i Elly. Randrianarivelo Jean de Dieu na i Deda kosa ny mpanazatran’izy ireo, izay efa niaraka tamin’ny ekipa malagasy nandritra ny “World Cup” farany teo.
Mi.Raz