“Road to BAL” : Tapitra hatreo ny lalan’ny Cospn

Nifarana hatreo ny lalan’ny Malagasy, ekipa solontena amin’ny fifaninanana “Road to BAL 2024”, taranja basikety. Nolavoin’ny Dynamo Burundi, teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo izy ireo.

Isa iray monja no namoizan’ny Malagasy ny nofinofiny hiatrika ny fifaninanana “Basket-ball Africa League”, taona 2024. Tamin’ isa 79 no ho 78 no nandresen’ny ekipan’ny Dynamo avy ao Burundi, ny Cospn Madagasikara. Tsy anisan’ny hanao “BAL”, araka izany, i Madagasikara satria ireo ekipa 3 voalohany tamin’iny dingana fifanintsanana natao tany Johannesburg Afrika Atsimo, iny no nahazoana ny tapakila ho amin’izany. Lesoka ny fanaovana fahadisoana diso tafahoatra tamin’ny ampaham-potoana farany ka nahazoan’ny Dynamo tombony. Efa nisy fotoana anefa nihoaran’ny Cospn lavitra ity ekipan’ny Burundi ity ary efa velom-panantenana ny ekipa malagasy. Indrisy anefa fa isa iray monja no namoizana izay fanantenana izay. Tsiahivina, ny sabotsy lasa teo no niatrika ny lalao manasa-dalana nanoloana ny Cape Town Tigers avy any Afrika Atsimo ny Cospn. Resy tamin’ny isa 67 no ho 63 ny Malagasy tamin’izany ka io niatrika ny fiadian-toerana fahatelo io. Talohan’izay, nahazo fandresena miisa roa ny Malagasy ka tafapetraka teo amin’ny laharana faharoa tao amin’ny vondrona nisy azy. Raha oharina ny tamin’ny dingana fifanintsanana tamin’ny “BAL” farany, nihatsara ny vokatra azon’ny Cospn satria tsy niatrika manasa-dalana akory izy ireo tamin’izany. Na izany aza, manaiky ny mpanazatra fa nisy ny lesoka ary harenina amin’ny fifaninanana manaraka mbola hatrehina. Ny Cape Town Tigers avy ao Afrika Atsimo, ny City Oilers avy any Mozambique ary ny Dynamo avy any Burundi, araka izany, no hiatrika ny “BAL”, ho an’ny “Division East”.

Mi.Raz

Partager sur: