Ady amin’ny kolikoly: olana ny toe-tsaina sy ny fisian’ny tsy maty manota, hoy i Hanitrantenaina

Nitondra fanazavana mahakasika ny tontolon’ny kolikoly eto Madagasikara i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara sy mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly ary maintimolalin’ny fandaharanasa Yali-RLC Dakar.

Olana amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny toe-tsaina. Zatra kolikoly ny olona. Io no hevitr’ i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara sy mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly. Tsy dia manaraka ny lamina mipetraka fa mitady ny lalana ambanin’ny tany. Misy mampiasa fahefana na vola na fahafantarana olona… Zatra kolikoly loatra ny toe-tsaina Malagasy.

Ankoatra izany, misy koa ny tsy fahafantarana ny lalàna sy ny tsy fahazoana ny fampiharana ny lalàna amin’ny kolikoly.

Sakana goavana indrindra koa ny fisian’ny tsy maty manota. Misy ny sokajin’olona tsy afaka enjehina sy hampiharana ny lalàna satria tsy maintsy mahazo fahazoan-dalana amin’ny sokajy misy azy vao azo enjehina ilay olona. Ohatr’izany ny filohan’ny Andrimpanjakana isan-tsokajiny, mpitsara, miaramila, zandary, polisy, mpiasan’ny fadin-tseranana…

Misy ny rafi-pitsarana sasany tsy maintsy mandalo rafi-pitsarana hafa vao afaka tsaraina. Ny Filoham-pirenena sy ny mpikambana ao amin’ny governemanta… Ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenena ihany no afaka mitsara azy ireo.

Lasa miteraka tsy maty manota izany satria sarotra ny manaisotra ny sakana ahafahana mitsara azy ireo malalaka. Maro loatra ireo sokajin’olona tsy afaka enjehina raha tsy mahazo izay fahafahana manokana izay.

Tsy hita mivantana, araka izany, ny vokatra mivaingana amin’ny ady amin’ny kolikoly.

Ny olon-tsotra tsy manana ny fahefana foana no tratra sy mitombina ny porofo fa ireo tsy azo enjehina kosa dia tsy voakitika mihitsy. Misy ihany ireo andrim-panjakana sasany mba mamoaka ihany saingy mahalana ary lasa tsy manome fahafaham-po ny olom-pirenena izany.

Tatiana A

Partager sur: