Velon-taraina ny ankamaroan’ireo mpandeha noho ny fananararaotana tafahoatra ataon’ny mpitatitra mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa manokana, tetsy amin’ny fasan’ny karana, ny faran’ny herinandro teo. Mananika ny 60 000 Ar hatramin’ny 80 000 Ariary ny saran-dalàna takina amin’ireo mpandeha. Manodidina ny 37 000 Ar anefa izany teo aloha. Efa lafo avokoa ny toerana ho an’ireo kaoperativa mihazona ny saran-dalàna tahaka io mahazatra ny mpandeha io. Maniry hody sy hamangy fianakaviana nefa ny ankamaroan’ireto farany ka voatery mividy ny tapakila aman’alina. Ankoatra io, manararaotra koa ireo mpanera maka vola amin’ireo mpandeha sasantsasany hihazo an’i Fianarantsoa kanefa mbola tsy misy fiara. Miantso ireo tomponandraikitra mahefa hijery ifotony ny zava-misy eny an-toerana, noho izany, ny mpampiasa taksiborosy.
Tsiferana R.