Tontosa ny atrikasa fanavaozana ny drafitra hiatrehana ny hamehana ho an’ny rivodoza sy ny tondradrano tany amin’ny faritra Atsinanana, niarahana tamin’ny mpiara-miombon’antoka CRS sy PAM. Tanjona ny hampihena ny tahan’ireo traboina anatin’ny faritra sy ny fahafehezana ny tranga mety hiseho, indrindra amin’ny fanomanana mialoha, mandritra ary aorian’ny fahatongavan’ny loza.
Nanatontosa ny drafitrasa ny tekinisiana avy aty amin’ny BNGRC foibe. Nampahafantarina koa ireo mpikambana miantsehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindonin-doza isaky ny distrika sy ny renivohitry ny faritra. Nandray anjara tamin’ny atrikasa ny sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana, ny lefitry ny ben’ny Tanànan’i Foulpointe, nampiantrano ny fivoriana. Nanotrona koa ny Prefen’i Toamasina no sady filohan’ny CRGRC Atsinanana, Ambinintsoa José. “Ilaina ny fananana drafitra hiatrehana ny hamehana”, hoy ny mpandrindra ankapoben’ny tetikasa ao amin’ny BNGRC, ny kolonely Faly Aritiana Fabien. Nanana solontena avokoa ny distrika fito sy ny ben’ny Tanàna ary ny sampan-draharahan’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy.
Vonjy