Nahazo moto telo avy amin’ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, faritra Itasy, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, ireo miaramila miasa ao amin’ny faritra. Ho fiaraha-mientana amin’ny fametrahana fandriampahalemana maharitra ao an-toerana no anton’izao fanomezana moto hiadiana amin’ny asan-dahalo izao, raha ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity. Hampiasain’ireo miaramila manefa iraka eny an-kianja ireto fanomezana ireto izay hanampy azy ireo amin’ny fanafainganana ny fandrindrana ny filaminana, hiarovana ny vahoaka sy ny fananany, hoy izy. Nankasitraka ny fifandrimbonana ataon’ireo olom-boafidy manerana ny faritra amin’ny ezaka hanatsarana ny fandriampahalemana sy hitsinjovana ireo mpiara-belona ireo manamboninahitra nandray ireto fitaovana ireto.
Jean Claude