Tsy afa-misaraka amin’ny fety toy izao hatrany ny resaka tsy fandriampahalemana. Manoloana izany, manao izay ho afany ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana mba hahafahan’ny vahoaka manao fety am-pilaminana lavitry ny tebiteby amin’ny asan-jiolahy. Nivoaka tao anatin’ny tatitra nomen’ny teo anivon’ny polisim-pirenena nandritra ny fetin’ny Krismasy 2023 fa 2 000 eo ho eo no isan’ireo polisy niantsehatra teny an-kianja nisahana ny filaminana. Miisa 65 ireo olona voasambotra tao anatin’ny fetin’ny Noely. Nahitana halatra mitondra fitaovam-piadiana toy ny antsy iray. Olona iray koa tratra namaky trano. Ny sinto-mahery sy ny fanendahana no tena nahazo vahana satria jiolahy 12 indray tratra. Jiolahy roa tratra saika hanatanteraka halatra saingy voasoroka mialoha izany. Telo ireo olona tratra nitondra sy nandray zava-mahadomelina. Tsy afa-miala ihany koa ny toaka rehefa fety satria olona 12 mamo an-dalambe ka niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny polisy. Teo koa ireo olona 30 nanaovana fanadihadiana manokana noho izy ireo mampiahiahy. Efatra ireo fatin’olona tao anatin’izay roa andro izay. Ho an’ny lozam-pifamoivoizana kosa nahitana tranga efatra izany ka telo naharatrana olona raha iray kosa nahasimbana fananana.
Jean Claude