Miseho amin’ny endriny maro ny trangana kolikoly. Ny kolikoly madinika miseho andavanandro no tena betsaka sy manakorontana ny fiarahamonina.
Fampiasana vola na fananana hividianana ny rariny na hanaovana tsindrihazolena ho an’ny mpiara-monina no antsoina hoe kolikoly. Io no namaritan’i Hanitrantenaina Fanoboha, mpitsara, ny atao hoe kolikoly.
Misy ny kolikoly manome sy ny kolikoly mandray. Fanomezana tombontsoa ny olona manana fahefana na misahana andraiki-panjakana hanaovany asa na tsia izay tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Io no antsoina hoe tsolotra.
Sokajy faharoa ny endrika kolikoly ka ao anatin’io ny fanararaotana fisahanana andraikitra, fanodinkodinana fananam-panjakana sy volam-panjakana, ny fanararaotana fahafantaran’olona…
Ny karazana kolikoly madinika dia izay hita amin’ny fiainana andavanandro ary tena manakorontana. Ny kolikoly goavana kosa dia mahakasika ny fitantanana ny raharaham-panjakana na raharaham-pirenena…
Feno 20 taona ny sonia fifanarahana iraisam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly. Mpikambana feno i Madagasikara. Nisy ny ezaka vita toy ny fametrahana ny paikadim-pirenena izay efa natao indroa miantoana. Eo am-panomanana ny paikady manaraka i Madagasikara ankehitriny. Teo koa ny fametrahana lalàna iadiana amin’ny kolikoly izay nasiam-panovana. Napetraka ny rafitra , samifin, PAC, Arai…
Tafiditra tamin’ny politikam-panjakana sy fanenjehana hatrany ny tsy fandeferana amin’ny tranga kolikoly. Nisongadina ny ezaka nataon’ny olom-pirenena, kolikoly mamoafady… Tohivakana ny ady amin’ireo sehatra maro amina sehatra maro.
Mila hatsaraina ny tolotra ho an’ny daholobe ho an’ny sehatrasam-panjakana fa be loatra ny dingana arahina amin’ny fikarakarana ny taratasim-panjakana. Mila hamaivanina sy tsorina izany mba tsy hisarika ny olona hitady lalan-kafa hanafaingana ny fanaovan-draharaha. Ilaina ny fangaraharana ao anatin’ny tontolon’ny asam-panjakana isan-tsokajiny.
Tatiana A