Orange solidarité: nizara fanomezana ho an’ny ankizy marary 1 000

Mbola tafiditra amin’ny hetsika firaisan-kinan’ny orange solidarité, rehefa volana desambra, ny fizarana fanomezana ho an’ny ankizy tsy salama, nandritra ny fanamarihana ny fetin’ny Krismasy, ny faran’ny herinandro teo. Nanomboka ny 21 desambra lasa teo, mpiasan’ny orange manome tanana anatin’ny fikambanana Orange solidarité 100 no nitety ireo sampam-pitsaboana ankizy amin’ny hopitaly manerana ny faritra maro nitondra hafaliana. Nandalo teny Ambohimiandra, Tsaralalàna ary teny Soavinandriana, izy ireo. Nahazo ny anjarany koa ny ankizy tany amin’ny faritra: Nosy Be, Manakara, Toamasina, Ambanja…

Nahitana fanampin-tsakafo sy kilalao ireo fonosana nozaraina nandritra ny hetsika.

Nahatratra 1 000 no nisitraka fanomezana natrehin’ny ray aman-dreny koa. “Zava-dehibe ny fizarana tahaka izao indrindra amin’ny vanim-potoan’ny fety ho an’ny kilonga na marary eny amin’ny toeram-pitsaboana aza izy ireo”, hoy ny filohan’ny Orange solidarité , Benja Arson. Manan-danja eo amin’ny Malagasy rahateo ny fihavanana ary tsy nohadinoin’ny fikambanana izay soatoavina izay.

Hetsika sosialy maro no nanamarihin’ny fikambanana ny Noelin’ny firaisan-kina tamin’ity taona ity manerana ny faritra.

Vonjy

Partager sur: