Orinasa miaramila ao Moramanga: homen’ny firenena Sinoa fiofanana ireo teknisianina

Laharam-pahamehana amin’ny fampivoarana an’i Madagasikara ny hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana maharitra. Tsy mitsahatra mijery ireo fiaraha-miasa marolafy sy paikady mahomby hanatanterahana izany ho tomboantsoan’ny vahoaka ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Tetikasa fampandrosoana maro no efa nosokafana ka anisan’izany ny nanaovan’ny orinasa miaramila iray any Sina fifanekem-piaraha-miasa amin’ny orinasam-pamokaran’ny miaramila ao Moramanga. Tafiditra ao anatin’ny fifanakalozana traikefa eo amin’ny samy Tafika izany, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovana. Hampiakarana ihany koa ny lenta ara-pitaovana, ho fampanjakana ny fandriampahalemana. Voalaza ao anatin’ny fifanarahana ny hanomezan’i Sina fiofanana ireo injeniera sy teknisiana mpamokatra ao amin’ity orinasa miaramila ity. Efa nihazo any Sina izy ireo miatrika izany fampiofanana izany nanomboka ny volana novambra lasa teo. Eo koa ny fampitaovana amin’ny milina hamokarana ireo bala hafa ankoatra ireo efa vokarina ao Moramanga amin’izao fotoana izao. Mialoha ny hahatongavan’ity milina famokarana ity anefa, dingana tsy maintsy hatao ny fametrahana ireo fitaovana teknika rehetra, hanaraha-maso sy hiarovana ity orinasam-pamokarana ao Moramanga ity. Nahazo moto avy amin’ny orinasa miaramila sinoa, araka izany, ireo mpiasa ao Moramanga hampiasaina amin’ny fisafoana ny toerana manodidina sady hanaovana vonjy taitra amin’ny fotoana ilana izany. Nahazo camera de surveillance izay hampita ny zava-mitranga rehetra anatiny sy ivelan’ny orinasa miaraka amin’ireo kojakoja mifanaraka aminy.

Jean Claude

Partager sur: