Ambatovy-Moramanga: niomana amin’ny loza ny BNGRC

Nifanome tanana tamin’ny lehiben’ny distrikan’i Moramanga ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC). Tanjona ny hanatsarana ny fiomanana amin’ny mety ho fisian’ny loza mitranga tampoka sy tsy nahy ateraky ny fitrandrahana ataon’Ambatovy ao an-toerana. Voakasika manokana ireo mipetraka sy ireo manana anton’asa manodidina ny toeram-pitrandrahana akora fototra ilain’ity mpiara-miombon’antoka avy amin’ny sehatra tsy miankina ity.

Nampandraisina andraikitra tamin’ny hetsika natao ireo sampandraharaham-panjakana rehetra ao amin’ny distrikan’i Moramanga. Nohamafisina ny fanentanana sy ny fanatsarana ny vokatra andrasana aorian’ny fandaminana rehetra atao. Nitondra ny anjara birikiny koa ireo fiarahamonimpirenena.  Nanatevin-daharana ny mpitandro filaminana rehetra.

Niendrika fanazaran-tena mifantoka amin’ny fiatrehana ny loza tampoka sy tsy nahy ateraky ny mety ho fahavakisan’ilay tohadrano lehibe indrindra eo anivon’izany toeram-pitrandrahana akora fototra izany ny hetsika.

 Ny  hitsanganan’ny asan’Ambatovy no vinavinan’ny trangan-javatra mety hiseho nanaovana fanazaran-tena.

Vonjy

Partager sur: