Holafitry ny infirmiera: hentitra amin’ny tsy fanarahan-dalàna ny filoha

Tontosa ny herinandro lasa teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filoha teo alohan’ny Conim (Conseils de l’Ordre national des infirmiers à Madagascar) sy ny filoha vaovao, Andrianarison Jean Aimé Botosera. Hentitra ity filoha vaovao ity, indrindra amin’ireo misandoka ho “infirmiers”, kanefa tsy manaraka fenitra mahakasika izany. Voakasik’izany avokoa, hoy izy, na ireo toeram-pampianarana tsy ara-dalàna, na ireo tsy ao anatin’ny fikambanana. “Hidina ifotony mihitsy ny birao hanenjika ireo tsy ara-dalàna ary tsy hiandry ela fa asa maika voalohany tsy maintsy hatao izany ho fanomezan-kasina ny asanay“, hoy ny nohamafisin’ i A. Jean Aimé, filohan’ny Conim. Mialoha izay, hametraka izay handrafitra ny biraon’ity holafitra ity ny filoha vaovao. Manodidina ny 7 000 eo amin’izao ny isan’ny  infirmiers  misoratra ara-dalàna eo anivon’ny Holafitry ny infirmier, raha toa ka efa tafakatra 45 000 ny manao izany asa izany. Tsiahivina fa ny 30 novambra lasa teo no nanatanterahina ny fifidianana, ka nahalany an’Andrianarison Jean Aimé Botosera hitantana ny “Ordre national des infirmiers” eto Madagasikara. Ny 14 desambra lasa teo kosa no nivoaka ofisialy ny fahazoana alalana hiasa, avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Mi.Raz

Partager sur: