Mahaliana tanora maro ny fianarana any Japon noho ny lentan’ny fahaizana any amin’izany firenena izany. Misokatra hatramin’ny faran’ny volana janoary ny vatsim-pianarana-Mext 2024.
Misokatra indray ny vatsim-pianarana Mext 2024, karakarain’ny governemanta japonais. Ho an’ireo mpianatra teny sy kolontsaina japonaise eny amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ho an’ireo mpampianatra amin’ny EPP hatramin’ny Lycée.
Misokajy roa, araka izany, ny vatsim-pianarana ka amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanatanterahana izany. Roa taona ny fianarana sy fiofanana hatao any Japon ho an’ireo mpampianatra voafantina. Tsy maintsy manana ny mari-pahaizana “Licence” na efa naharitra 5 taona nampianarana na manana “Capen”. Herintaona kosa no faharetan’ny fivahinianana any Japon ho an’ireo mpianatra. Latsaky ny taona fahatelo eny Ankatso ireo mpandray anjara. Tsy maintsy miverina manohy fianarana eny amin’ny oniversite ireo mpianatra rehefa avy nahavita ny fisitrahana ny vatsim-pianarana. Toraka izany ireo mpampianatra miverina amin’ny asa fampianarana.
Nanazava ny tomponandraikitra ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho japonais, Zakarivelo Ranaivo Norbert, fa any amin’ny faran’ny volana janoary no fara-fanaterana ny antontan-taratasy, ho an’ireo izay maniry ny handray anjara amin’ny fahazoana ny vatsim-pianarana.
Any amin’ny herinandro fahatelon’ny volana febroary no hanaovana ny fifantenana voalohany ka hisy ny fanadinana an-tsoratra sy am-bava ary hivoaka ny faran’ny volana febroary ireo tsara naoty.
Any amin’ny volana jolay kosa no hamoahana ny anaran’ireo tena voafantina hisitraka ny vatsim-pianarana. Ny volana septambra na oktobra no fotoana hiaingan’ireo mendrika ny hianatra any Japon.
Tatiana A