Mahasarika tanora maro ny lalam-piofanana teknika eto Madagasikara. Azo lazaina ho toeram-panofanana manampy ny ankizy hahita asa avy hatrany izy io, raha ny fanadihadiana natao.
Antony iray mahamaro sy mahatonga ny ankamaroan’ny ankizy sy ny tanora misafidy io lalam-piofanana iray io ny fitsinjovana ny asa hatao. “Efa misy taranja iray voafehy sy manavanana azy raha manaraka io fiofanana iray io ny ankizy”, hoy ny proviseur eo anivon’ny LTP Ampefiloha, Rajaonah José. Mieritreritra ny ankizy fa efa misy asa iray azon’izy ireo hatao aorian’ny fianarany, raha ny fanazavana hatrany. Anisan’ny mampiavaka azy amin’ny lalam-piofanana ankapobeny izany. Ho an’ity farany, tsy misy asa avy hatrany fa tsy maintsy mandray izay asa misy eo, aorian’ny fianarana, raha ny fanazavan’ireo mpianatra. Anisan’ny mahamaika ny ankizy ny fananana sy fijerena ny asa hatao aorian’ny fianarana. Ho an’ny lalam-piofanana teknika manokana, efa manana ny taranja manavanana azy kosa ny ankizy tsirairay. “Manampy betsaka azy ireo amin’ny fanamorana ny fahitana asa aorian’ny fianarana izany”, hoy hatrany ny proviseur eo anivon’ny LTP.
Efa ilaozan’ny toetrandro ny fandefasana ireo zaza sy ankizy tsy mahay hianatra eny anivon’ny teknika. “Ankehitriny, mitovy amin’ny fampianarana sy fampiofanana rehetra misy eto amin’ny firenena ny teknika”, hoy hatrany izy. Nilaza ny tenany fa ilaina ny marani-tsaina, ilaina ny fananana diplaoma. Ho an’ny eny anivon’ny LTP manokana, tsy maintsy takina amin’ireo ankizy te hianatra eny anivon’ny sekoly ny fananana ny mari-pahaizana BEPC, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Hofanina hanangana orinasa
Misy sokajiny roa ny endriky ny fahitan’ny ankizy asa amin’ny ankapobeny. Eo anivon’ny sekoly hatrany, mila fiofanana mahakasika ny “éducation entrepreneuriale” ny ankizy. Manabe sy mampianatra ary mamolavola ny ankizy hamorona asa manokana ho azy. Mba hialana amin’ny fitadiavana asa eny anivon’ny orinasa. “Anisan’ny mbola olana eto amin’ny firenena nefa ny tsy fahampian’ny hoenti-manana amin’ny fananganana tetikasa », hoy hatrany ity tomponandraikitra eo anivon’ny LTP Ampefiloha ity. Nangataka ny hijeren’ny fanjakana sy ny tomponandraikitra ny vahaolana mifandraika amin’izany ny tenany. Faharoa, raha vao miala eto ka tsy hanohy fianarana intsony dia hofanina hiasa avy hatrany na mamorona asa ny ankizy. Tanjon’ny sekoly teknika ny hanosehana ny ankizy hanana orinasa ho azy manokana. Marihina fa ny 70 %-n’ny ankizy dia manohy ny fianarany eny anivon’ny fampianarana ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina. Manodidina ny 20 % ireo mitady asa. 10 % kosa ireo efa manana orinasa ho azy manokana.
Fisafidianana lalam-piofanana
Tsara ihany koa mifanakalo hevitra ny ray aman-dreny sy ny zanaka amin’ny fampiofanana tiany hatao. Jerena ihany koa ny hiafarany raha manaraka izany lalam-piofanana izany ny ankizy iray. Tokony ho mahay misafidy tsara ihany koa mandritra izany. Tsy maintsy ilaina ny fahaizan’ny ankizy ny teny frantsay satria amin’ny teny frantsay avokoa ny ankamaroan’ny taranja hianarana. Ka raha tsy mahafehy izany izy ireo dia sahirana amin’ny fahaizana ny taranja hafa.
Mpianatra teknika 83 nahazo ny mari-pahaizana BPFQ
Mpianatra 83 navoaka sy nahazo ny mari-pahaizana BPFQ, ny zoma 21 desambra lasa teo, tetsy amin’ny LTP Ampefiloha. Brevet de formation professionnelle qualifiante, andiany faha-25, nampitondraina ny anarana hoe RINDRA. Nizara sampam-piofanana roa. Ankizy 20 no nisafidy ny lalam-barotra. 63 kosa ny nisafidy ny fitantanam-bola (comptable). Ny BPFQ dia tsy diplaoma akademika fa diplaoma professionnel.
Mandalo dingana maro vao mahazo izany ny ankizy iray : miofana eo amin’ny roa na telo taona eo izy ireo, manao Voyage d’études na Visite d’entreprise avy eo. Manao boky milaza ny tatitra mahakasika ny zavatra hitany teny anivon’ny orinasa avy, telo na efatra ny vaomiera iray. Ahitana ny zavatra hitany, ny olana, ny vahaolana harosony mahakasika ny zava-drehetra hitany teny. Rehefa mahazo naoty maherin’ny 12 /20 izy ireo dia raisina. Manampy ihany koa ny salanisa azony nandritra ny taona, raha mahazo 10,50 mihoatra izy dia mahazo ny diplaoma, anisan’izany ity andiany faha-25 nivoaka farany teo anivon’ny sekoly teknika LTP Ampefiloha ity. Nanomboka tamin’ny 2002 ny andiana mpianatra nahazo ny diplaoma professionnel voalohany, navoakan’ny sekoly. Tao anatin’ny 50 taona lasa izay, nahatratra 2 000 mahery ireo ankizy nivoaka sy nahazo ny mari-pahaizana teo anivon’ity sekoly teknika ity.
Diplaoma BPFQ
Anisan’ny mampiavaka ny fananana ity diplaoma ity ny fahafahana miatrika asa avy hatrany rehefa mahazo izany. Mitovy lenta amin’ny diplaoma bakalorea ihany koa io, raha ny fanazavan’ny proviseur-n’ny LTP. Raha jerena eo anivon’ny asam-panjakana, afaka mahazo sokajin’asa, catégorie, faha-3 izy ireo rehefa miasa. Mifaninana amin’ireny fanadinana hidirana ho mpiasam-panjakana ireny koa rehefa mahazo io diplaoma iray io. Raha te hanohy ny fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony ny ankizy dia tsy maintsy manana ny diplaoma bakalorea
Mino