Ambohimirary sy Anjeva: ankizy an-jatony nomena kilalao, tantsoroka ho an’ireo sahirana

Nizara kilalao ho an’ny ankizy ny fikambanana Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Hanolotra tantsoroka ho an’ny sahirana eny Ambohimirary kosa rahampitso.

Nizara kilalao ho an’ny ankizy sahirana eo anivon’ny Paroisse Notre Dame de Fatima Ambohi­mirary, Ampasampito, ny Association Aro ny aina Côte d’Azur Madagascar. Nitarika ny hetsika, natao ny faran’ny herinandro teo, ny pretra dehonianina mitantana ny fiangonana. Nanampy azy ny mompera Razafison Haja Éric Gérard sy masera Lydie izay mpikarakara ny sahirana ao an-toerana.
Fikambanana naorin’ny te­ra­tany malagasy monina any Frantsa, R. Jenny, entina ha­na­mpiana ireo ankizy sy ny ray aman-dreny sahirana eny amin’ny faritra Ambohimirary sy ny manodidina, sy ny kaominina Anjeva ny fikambanana.
Ankizy an-jatony no nahazo ny kilalao. Mbola hisy ny fizarana vatsy sakafo hoentina miara-mifety amin’ny fianakaviany. Hisitraka izany ny ray aman-dreny sahirana. Hatao rahampitso ny fizarana.

Manao antso avo
Ankoatra ny fizarana fanomezana sy tohana sakafo, manampy amin’ny fampidirana ny ankizy an-tsekoly miaraka amin’ny fampitaovana ny fikambanana, araka ny voalazan’ny mpanorina azy. Mi­ton­dra tantsoroka ho an’ny marary sy ny ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Mikarakara hetsika hahazoana vola any Frantsa ny fikambanana, ha­ha­zoana manao asa soa ho an’ny fokontany roa : Ambo­hi­mirary sy Anjeva.
Miantso ny malala-tanana ny fikambanana hanampy amin’ny asa ho amin’ny ho avy. Hetsika hiompana amin’ny fanabeazana sy fahasalamana ary fanampiana ny tanora hahaleo tena. Afaka misafidy ny sehatra ho tohanana ny tsirairay, indrindra ny fiantohana ankizy hiditra an-dakilasy satria ny fanabeazana no hitondra amin’ny fampandrosoana.

Vonjy

Partager sur: