CHU Morafeno – Toamasina : voafidy ho (mpiasa) mendrika Isofinirina Josette Frida

Voatendry ho «personnel de l’année 2023» ao amin’ny CHU Morafeno-Toamasina, Isofinirina Josette Frida. Mpiandraikitra ny fitantanana eo anivon’ny hopitaly izy. 10 taona niasana tao amin’ny CHU izy. Namiratra hatrany tamin’ny andraikitra rehetra nampanaovina azy, araka ny voalazan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasa­la­mam-bahoaka.

Mpitarika fakan-tahaka iha­ny koa. Mpandraharaha voalohany, voafidy hitantana ny sosialin’ny mpiasa eo anivon’ny Hopitaly.

Nanambara Isofinirina Josette Frida fa sady mpitarika izy no mpanatanteraka. «Ny ekipa miray hina rahateo no mitondra fahombiazana”, hoy izy. Maro ireo hetsika nampiavaka ny hopitaly nokarakarainy, toy ny varavarana misokatra, fandraisana anjara amin’ny fanazaran-tena niarahana tamin’ny BNGRC, fanadiovana faobe ary ny hetsika fiarahan’ny mpiasan’ny hopitaly.
Vokany, maro ireo nisitraka fitsaboana tao anatin’ny tontolo tsara karakara avy amin’ny fitarihany. Nahazo ny laharana faharoa amin’ny fanomezana tolotra manana kalitao izay nokarakarain’ny Bianco ihany koa, tamin’ny ity taona ity, ny CHU Morafeno.

Sady manana mpitarika miavaka no mahafa-po amin’ ny tolotra fitsaboana omeny ny CHU Morafeno.

Vonjy

Partager sur: