Hiara-hiasa ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza (BNGRC) sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny tetikasa Produir. Tanjona manokana ny hanamafisana ny fiomanana amin’ny vonjy taitra sy ny fahaiza-mamaly eo anivon’ireo kaominina telo manodidina hiasan’ny tetikasa Produir (Anosizato Andrefana, Bemasoandro sy Andranonahoatra).
Ankoatra izay, hisy fanomezana fitaovana hamalina ny filàna maika indrindra. Mba tsy hampitarazoka ny vonjy voina sy ny fahafahan’ny mponina miatrika izay miseho.
Hiantohana ny fahavononan’ny vondrom-piarahamonina amin’ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza. Maro ireo asa novinavinaina hiarahana manatanteraka. Anisan’izany ny famolavolana na fanavaozana ny drafitry ny vonjy taitra iombonana. Hisy ny fanatanterahana fanazaran-tena eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo kaominina manodidina voafaritra manokana. Sady farany no zava-dehibe indrindra ny fampitaovana manokana hiatrehana ny loza mety hitranga.
Vonjy