Olana matetika aroson’ny mpianatra eny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo, eny Ankatso, ny tsy fahampian’ny rano ampiasaina. Nametraka fotodrafitrasa ny tomponandraikitra ary nasiana fanarenana ny simba taorian’ny andrana natao.
Taorian’ny andrana natao, hita fa efa feno tanteraka ny fepetra ahafahana manome rano madio fisotro ho an’ny mpianatra eny Ankatso I sy ny mponina amin’ny fokontany manodidina, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony.
Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny Direct Aid no nananganana ity fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio, amin’ny alalan’ny “forage”, ity.
Rehefa vita ny fametrahana ireo fitaovana samihafa ireo, izay nahafahana nampiasa ity fotodrafitrasa ity, tsy maintsy nirosoana ny fanavaozana sy fanatsarana ary fanarenana ny simba. Niara-nientana tamin’ny fanarenana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, tamin’ny alalan’ny CrouA sy ny minisiteran’ny Rano, ary ny Jirama nahafahana nampandeha azy indray. Fantatra taorian’izany fa mpianatra maherin’ny 1000 no afaka misitraka rano fisotro madio ary mahatratra 5 metatra toratelo ny habetsahan’ny rano. Tsy ho sahirana amin’ny famatsiana intsony ny mpianatra manomboka izao, hoy ny teknisianina.
Efa misitraka rano fisotro madio amin’ny alalan’ny ” forage” natsangan’ny “Direct Aid “, toy ny eny Ankatso, ny oniversiten’i Mahajanga sy Antsiranana, tamin’ny taona 2021.
Nisolotena ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, nandritra ny fanolorana ity fotodrafitrasa ity tamin’ny fomba ofisialy, ny tale jeneralin’ny fikarohana ara-tsiansa, ny Profesora Ramanankierana Heriniaina.
Vonjy