Araka ny sary azo avy amin’ny zanabolana omaly. Misy taratra andro ratsy mitoetra ao amin’ny morontsirak’i Mozambika. Niseho nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso faran’ny taona izany.Tombanana hitondra rotsakorana betsaka manodidina ny 60 hatramin’ny 90 mn/ora any amin’ny ilany afovoany Andrefan’ny Nosy izy io. Ahina, araka izany, ny hahabetsahan’ny rotsakorana. Mbola malefaka ny rivotra fa mitoetra kosa ny tafiotra ao anaty oram-baratra, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny Meteo Madagascar, omaly tamin’ny 03 Ora tolakandro. Mety hahazo vahana ihany koa ny oram-baratra amin’ireo fari-dranomasina ireo hatramin’ny fiandohan’ny taona 2024.
Ahina ny mety hiandronan’ny rano amin’ireo toerana mora tondraka, fihotsahan’ny tany amin’ny lalana. Iangaviana, araka izany, ireo mipetraka amin’ny faritra mora tondraka mba hitandrina sy hanaraka ny toromarika rehetra. Entanina ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Maintirano sy Toliara mba tsy hiandriaka. Araka ireo antontan-kevitra sy tarehimarika voaray ireo hatrany. Tombanana hikisaka miadana hanakaiky ny morontsiraka afovoany andrefan’ny Nosy ny rahom-baratra entin’ny faritr’androratsy. Mety hitondra rotsakorana betsaka ho an’ny faritra Menabe sy ny tapany avaratry ny faritra Atsimo Andrefana izany ao anatin’ny telo andro manaraka.
Mino