CSB U Tsihombe: niakatra ny tahan’ny ankizy vita vaksiny

Midadasika satria 110 ny fokontany sahanin-drasazy Razafy Felicia Dianne Louise, ao amin’ny CSB U Tsihombe. Nanova ny tontolon’ny fahasalamam-bahoaka izy satria nahomby ny paikady fanentanana notarihiny niarahana tamin’ireo mpanentana ara-pahasalamana eny anivon’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fahasalamana amin’ny faritra Androy.

Mavitrika, mahatoky ary nanatsara ny andraikitra nosahaniny indrindra eo amin’ny lafin’ny vaksinin’ny zaza rasazy ka niakatra ny tahan’ny zaza vita vaksiny. Navitrika ny ray aman-dreny amin’ny fanatonana tobim-pahasalamana sy nanaiky nanaovana vaksiny ny zanany.

Voahosotra ho mpiasan’ny fahasalamana mendrika ho an’ny taona 2023 rasazy ato amin’ny faritra Androy.

« Fahasalamana no voalohan-karena ka faly aho fa anisan’ireo niasa hanatsara ny fahasalaman’ireo mpiara-belona amiko », hoy izy. Mendrika ho fakan-tahaka rasazy amin’ny fomba fiasa manakaiky vahoaka mitondra tombontsoa, indrindra ho an’ny kilonga.

Vonjy

Partager sur: