Fihetsehan’ny tany-Japon: 62 maty, 300 naratra

62 ny maty, 300 ireo maratra, vokatry ny fihetsehan’ny tany, ny fiandohan’ny taona teo, tany Japon, araka ny filazam-baovao avy amin’ny departemanta Ishikawa, omaly. Tombanana mbola hitombo io isa io, satria misy ny toerana saro-dalana any ambanivohitra sady manampy trotraka ny toetry ny andro ratsy, misy orana, ka miteraka fihotsa­han’ny tany. Nisy alondrano goavana koa nirefy 1m ny haavony nandrava ny tanàna tany amin’ny morontsiraka sy ny lalana rehetra. Ohatra ny tao amin’ny péninsule de Noto.
Mahatratra 31 800 ny olona voatery nafindra monina any amin’ny toeram-pandraisana, ary tokantrano 34 000 no tsy manana herinaratra ao amin’ny departemanta Ishikawa, ary tsy vitsy koa no tsy afaka misitraka rano madio fa tapaka ny famatsiana. Nanazava ny tomponadraikitra ao amin’ny tanàna iray, ao Suzu, fa simba ny 90%-n’ny trano niorina tao. 7,5 amin’ny maridrefy Richter ny tanjaky ny fihetsehan’ny tany, tamin’ny fiandohan’ny taona teo.
Niverina ao an-tsain’ny maro ny fihetsehan’ny tany niseho ny taona 2011, tany Japon, izay namoizana aina 20 000 be izao.

Vonjy

Partager sur: