“Ho mafy ny toe-draharaham-pirenena hisy eto”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, amin’izao taona vaovao izao. Maneno avokoa ny mpanao politika mpanohitra. Misy koa ny mpanohana fitondrana efa manomboka maneno fa tsy hahazo toerana amin’ny fananganana governemanta. Ny fiarahamonina sivily efa niteny tamin’ny voalohany hoe diovina aloha ny tokotany alohan’ny fifidianana. Efa niteny ny sehatra iraisam-pirenena hoe mila mifampiresaka aloha. Ny vahoaka mijaly sy mitondra faisana amin’ny ataon’ny mpanao politika toy izao. Tsy maintsy hisy ny fiakaran’ny vidim-piainana, fa tsy hamatsy vola an’io fanjakana io ny sehatra iraisam-pirenena, fa tsy mety mifampiresaka ny mpitondra handaminana ny firenena. Ny lalàm-pifidianana sy ny rafitra misy eto amin’ny firenena izay mandeha ila no olana sy mila fandaminana. Ny vahoaka malagasy no mety hifafa ny kihony, raha ny fahitany azy.
Ho hita eo fa ho avy ny fifidianana isan’ambaratonga, ny fanovana mety hisy amin’ny rafitra : hiditra amin’ny Repoblika V sa ahoana? Hanao fikaonandoha ve hifampindinihana ny amin’izany? Mandra-pahatonga an’izay, hifafa ny kihony aloha ny vahoaka amin’ny ataon’ny mpanao politika tsy mifampihaino. Hiteraka olana politika ny olana sosialy. Satria ny famatsiam-bola heverina hampandrosoana ny firenena sy ny vola miditra any amin’ny mpianakavy no sarotra. Moramora ho an’ny mpanao politika any amin’ny fanoherana no miditra amin’ny tsy hisian’ny fahamarinan-toerana politika.
R. Nd.