NIHINANA trondro am-bifotsy : fito mianaka marary naiditra hopitaly

Anisan’ny sakafo nampidi-doza ho an’ny fianakaviana iray manontolo ny fihinanana trondrokely am-bifotsy. Efa nahiditra hopitaly any Tanamakoa-Toamasina kosa izy ireo.

Fito mianaka be izao tsy maintsy naiditra hopitaly ao amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray ao Tana­makoa-Toamasina. Narary vokatry ny fihinanana trondrokely am-bifotsy, “sardine”, izay nampifangaroana tamin’ny paty makaronia, ny andron’ny taom-baovao, natao sakafo izy ireo. “Nandritra ny famohana ny boaty vy, hitanay fa ohatry ny nandranoka be aloha, ka nanarianay ny menaka. Tsy nahatsiaro hijery ny daty farany ahazoana mihinana ny trondro izahay fa nafangaro tamin’ny sakafo avy hatrany.
Namono gisa izahay natao laoka fa naroso ho sakafo fampidirana ilay sardine sy ny makaronia ny alatsinainy, taom-baovao, iny. Nanomboka ny talata 2 janoary, efa nisy nitaraina nivalana sy nangidihidy ny tao an-trano. Nitohy tamin’ny zanako hafa izany ka fito mianaka miaraka amin’ny vadiko izahay no marary”, hoy ilay raim-pianakaviana.
Hatramin’izao mbola karohina hatramin’ ilay boatin’ ny sardine nitera-doza. Ny talem-paritry ny Varotra sy fanjifana rahateo tsy eto an-toerana hakana fanazavana misimisy momba ity tranga ity. Nilaza ny dokotera Zafimila Alphonse, fa tsy misy ahina ny ain’ izy ireo satria efa sitrana fa voavonjy haingana. Tokony hanana fahazarana mijery ny fetr’andro farany azo ihinanana ilay sakafo hatrany ny mpanjifa rehefa mividy izany eny an-tsena.

Mba hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo:
-Tokony tsy hohanina ny sakafo lany daty na efa simba: masiso na maniry bobongolo na efa miova ny lokony na efa mibontsina ny boite fitoerany na arafesina.
– Tsy tokony hatao any an-dakozia ireo famonoana bibikely (kadradraka sns) fa sao sanatria mifangaro amin’ny sakafo ka mahafaty.
-Tokony ho madio foana ny tanana : Sasana amin’ny rano sy savony ny tanana,rehefa mikarakara sakafo ary rehefa misakafo
– Ezahina tsy tehirizina ela arakazay azo atao ny sakafo
-Hajaina ny fepetra fitehirizana sakafo: na atao anaty vata fampangatsiahana ohatra : hena, trondro. Na hamainina ny fitehirizana azy. Na asina sira, ho an’ny hazandranomasina.
Ankoatra izay, manentana, ny avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Jono sy ny Toe-karena manga Atsimo Andrefana mba hanadiovana tsara ny trondro alohan’ny ahandroana azy.

Sajo

Partager sur: