Samy manana ny fomba hiatrehina ny volana janoary ny isan-tokantrano taorian’ny fety. Tsy vitsy ireo mivarotra ny fananana, havadika ho sakafo.
Rehefa volana janoary tahaka izao, betsaka ny tokantrano mivarotra ny entana tsy ilaina intsony na koa tsy ampiasaina matetika havadika ho vola hividianana sakafo. Santionany amin’ireny ny fanaka, ny fitaovan-dakozia… hatramin’ny fandriana sy ireo fitaovana fanamafisam-peo sy ny kojakoja miaraka aminy nampiasaina nandritra ny fety roa sosona. Ao koa ny misafidy ny hifantina sy hivarotra ireo akanjo sy kiraro ao aminy. Misy olona mitety trano mihitsy mpaka entana tonta na tsy ampiasaina vidina amin’ny ambongadiny ary hamidy eny Andravoahangy sy Isotry ary Anosibe indray avy eo. “Mora be ny akanjo sy ny kojakoja hafa amin’izao fotoana izao fa ny sakafo no mahamaika ny olona. Tsy maintsy hanefa hofan-trano sy saram-pianaran’ny mpianatra koa amin’ny alatsinainy ka betsaka ireo mandefa karazana entana aminay”, hoy ny mpivarotra mpitety trano iray. 200 Ar ka hatramin’ny 1 000 Ar no hivarotana ny lamba tonta eny an-tsena. Arakaraka ny filàn’ny olona ihany no mampandeha ny entana. Rehefa miakatra ny vokatra eny an-tsaha no manam-bola ny mpividy entana fa mihisatra ny varotra mandritra ny janoary.
Tranga eny amin’ny fiarahamonina ankehitriny koa, ankoatra ny fivarotana fananana, ny fifindrana trano. Mampiakatra hofan-trano ny ankamaroan’ny tompon-trano ka aleon’ny sasany mifindra lasy. Manodidina ny 25% ny fisondrotana ka mavesatra. Rehefa tsy afa-manoatra, mitrosa sisa azo atao.
Araka izany, fanjakazakan’ireo mpampanjana-bola ihany koa ny volana janoary sy febroary. Ritra tanteraka ny am-pelatanana nanaovana fety mba hitoviana amin’ny olona ka lasa miditra amin’ny trosa misy zanabola ny tokantrano sasany.
Vonjy